SEKOLY SABATA
TORONTORONINA ANKEHITRINY, FA TSY MBOLA NATERAKA
1. Raha tena Kristiana isika, dia efa zanak'Andriamanitra ve isika eto amin'ity fiainana ity? 1 Jaona 3: 1-2. Efa mandova ny fanjakan'Andriamanitra ve isika sa mpandova amin'ny ho avy ihany? Rom. 8: 14-17.
(1 Jaona 3:1) « Endrey!
manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika
hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy
mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy. [* Gr.
nomen'] » (1 Jaona 3:2) « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho
izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy
isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. »
(Romana 8:14)
« Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Romana 8:15) « Fa tsy nandray ny
fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny
fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. »
Fanamarihana: Na dia heverina ho zanak'Andriamanitra aza isika ankehitriny, dia mpandova ny ho avy ihany aloha (Romana 8: 14-17); any aoriana vao ho lasa tompon’ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra.
Nahoana?
Satria mbola zanaka notorontoronin’ny Fanahy ihany isika, fa tsy mbola nateraka. Rehefa ovana ho fanahy amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika vao ateraka avy amin'Andriamanitra sy mandova ny Fanjakan’Andriamanitra.
Rehefa ateraka avy amin'Andriamanitra isika
vao lasa mpandova mitantana ny
Fanjakan'Andriamanitra, sady tonga mpikambana
masina mandrakizay ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra.
Alohan'ny hanombohan'ny dingana faharoa amin'ny famoronana ny olombelona – izany hoe ny fananganana antsika ho fanahy - Andriamanitra Ray dia tsy maintsy mandonaka antsika tsirairay amin'ny alàlan'ny fampidirana ny Fanahy Masina ao anatintsika. Manao izany Izy amin'ny alàlan'ny fametrahana ny Fanahy Masina ao an-tsaintsika, mba hikambana amin'ny fanahin'olombelona amin'ny fibebahana sy ny batisa. Amin'izany fanorontoronana ara-panahy izany, ny Fanahy Masina dia azo oharina amin'ny tsiranoka iray ary ny sain'olombelona amin'ny atody iray izay iaraisan'ny Fanahin'Andriamanitra.
Ary, toy ny fanombohan’ny fitomboan'ny zaza vao torontoronina ao an-kibon-dreniny, ny toetrantsika ara-panahy dia hanomboka mitombo rehefa avy notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra isika. Izany fitomboana izany dia tanterahina amin'ny alàlan'ny fianarana Baiboly, ny vavaka ary ny fankatoavana an'Andriamanitra.
2. Ampitahao ny Galatianina 3:26 sy Efesiana 1: 5 amin'ny Romana 8: 14-17.
(Galatiana 3:26)
« Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy
Jesosy. »
(Efesiana 1:5)
« rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny
fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny
fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] »
Moa ve ireo andininy ireo manambara fahamarinana mitovy, izany hoe ny Kristiana dia efa zanak'Andriamanitra voatokana handova ny fiainana mandrakizay?
Fanamarihana: Ny teny grika tany am-boalohany dia midika hoe "toetra maha zanaka". Ary rehefa nahazo ny fanahin'ny "zanaka" toy ny tsiranoka ara-panahy izay mandonaka antsika isika, moa tsy "fananganan'anaka" va izany (fanorontoronana)? Ny Fanahy Masina dia mahatonga antsika ho tena zanaka notorontoronin'Andriamanitra, satria hitovy amin'ny Raintsika any an-danitra isika rehefa teraka ao amin'ny Fanjakany.
3. Moa ve isika mandray ny fomban'Andriamanitra rehefa notorontoronin’ny Fanahy Masina? 2Petera 1: 3-4.
(2 Petera 1:3) « Efa nomen'ny herin'Andriamanitra
ho antsika ny zavatra rehetra momba ny
fiainana sy ny toe-panahy araka
an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny
voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny voninahitra sy ny
fahatsarana] » (2 Petera 1:4)
« ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no
lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany
ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao
noho ny filàna; »
Inona ny sasany amin'ireo toetran'Andriamanitra, na "voa" avy amin’ny toetran'Andriamanitra izay aseho amin'ny fiainan'ny Kristiana taorian'ny nanorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra azy? Gal. 5: 22-23.
(Galatiana 5:22) « Fa ny
vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana,
fahari-po, fahamoram-panahy,
fanaovan-tsoa, fahamarinana, » (Galatiana
5:23) « fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra
izany. »
4. Ny fitiavana ve no toetra lehibe indrindra amin'ny maha-Andriamanitra izay ampitain'ny Fanahy Masina amintsika? 1 Jaona 4:16; Rom. 5: 5; 1 Kor. 13: 1-13 (mariho indrindra ny andininy 13).
(1 Jaona 4:16)
« Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao
amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. »
(Romana 5:5)
« ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay
nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao
am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra] »
(1 Korintiana 13:1)
« Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy
manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana
aho. » …
(1 Korintiana
13:13) « Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana,
ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny
fitiavana no lehibe amin'ireo. »
Moa ve io fitiavana io ihany no mahatonga antsika "hahatontosa" ny Lalàn'Andriamanitra, izany hoe mankatò? Rom. 13:10.
(Romana 13:10)
« Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. »
Fanamarihana: Ny Fanahy Masina izay raisina avy amin'Andriamanitra dia azo ampitahaina amin'ny tsimoka ao anatin'ny tsiranoky ny raim-panakaviana. Ny Fanahin’ Andriamanitra dia mamindra ny toetra ara-panahy ananany amintsika, toy ny raim-pianakaviana iray mamindra ny toetrany ara-batana sy ara-tsaina amin'ireo taranany. Ny Fanahy Masina - izay tsimoka anorontoronana antsika ara-panahy - dia mampita amintsika ny toetra sy fiainan'Andriamanitra Raintsika any an-danitra.