MANDROSO HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
NY HERIN’NY FANAHY MASINA
AZO TANTERAHINA ANKEHITRINY NY FAMORONANA
ANTSIKA ARA-PANAHY
TENIN’ANDIAMANITRA
Joba 19:25-29
Jaona 17:20-26
1 Jaona 3:1-9
Joba 19:25-29
[Ny teny navalin’i Joba]
(Joba 19:25)
« Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka
hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho
farany] » (Joba 19:26)
« Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko
aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny
nofoko aho] » (Joba 19:27)
« Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa
matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako] » (Joba 19:28) « Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra
isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb.
anatiko][**Heb. ahy] » (Joba 19:29)
« Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika
ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana. »
Jaona 17:20-26
[Ny vavaka
nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany]
(Jaona 17:20)
« Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa
noho ny teniny; » (Jaona 17:21)
« mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa
ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao
no naniraka Ahy. » (Jaona 17:22)
« Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka
ny mahiray Antsika: » (Jaona 17:23)
« Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba
ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka
ny nitiavanao Ahy. » (Jaona 17:24)
« Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy,
mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy
mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. » (Jaona 17:25) « Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo
izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka
Ahy. » (Jaona 17:26) « Ary
efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho
ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy. »
1 Jaona 3:1-9
[Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Rainy sy
hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany]
(1 Jaona 3:1)
« Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny
niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho
izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
[* Gr. nomen'] » (1 Jaona 3:2)
« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola
naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho
tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:3) « Ary izay rehetra
manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio
tahaka Azy. » (1 Jaona 3:4)
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny
lalàna. » (1 Jaona 3:5)
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy
ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:6) « Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota;
izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:7) « Anaka, aza avela
hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka
Azy. » (1 Jaona 3:8)
« Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny
voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny
devoly. » (1 Jaona 3:9)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra
ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. »
TORITENY
Joba 19:25-29
Joba 19:25
FANATRO FA VELONA NY MPANAVOTRA AHY
Nifikitra tamin’Andriamanitra tamim-pinoana lehibe
sady nino ny hamalian’Andriamanitra soa azy any am-parany i Joba raha mby teo
anivon’ny fahoriana sy ny fahadisoam-panantenana. Noheverin’i Joba ho toy ny “Mpanavotra”
na “Mpanampy” azy Andriamanitra. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia “Mpanavotra” no
niantsoana ny havana izay manam-pitiavana lehibe ka tonga mba hiaro, hisolo
vava, hanampy amin’ny ady, ary hitondra famaliana soa ho an’ilay havany
tra-pahoriana.
Joba 19:25 KA
HITSANGANA ANY AM-PARANY EO AMBONIN’NY VOVOKA IZY
Tamin’ny tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina no nilazan’i Joba tamin’ny
fanamarinana nataony fa Jesosy Kristy no ilay Mpanavotra.
ü
Tonga hanavotra ireo olony amin’ny fahotana sy ny
fanamelohana Jesosy Kristy (Romana 3:24; Galatiana 3:13; 4:5; Efesiana 1:7;
Titosy 2:14):
(Romana 3:24)
« nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana
izay ao amin'i Kristy Jesosy, »
(Galatiana 3:13)
« Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona
hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny
hazo (Deo. 21. 23), » (Galatiana
4:5) « hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny
fananganan'anaka. »
(Efesiana 1:7)
« Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny
fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, »
(Titosy 2:14) « Izay
nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny
ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto
indrindra amin'ny asa tsara izany. »
ü
Tonga koa Izy hanafaka azy ireo amin’ny tahotra ny fahafatesana (Hebreo
2:14-15); Romana 8:23):
(Hebreo 2:14)
« Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy,
mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana,
dia ny devoly, » (Hebreo 2:15)
« ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny
fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. »
(Romana 8:23) « ary tsy
izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza,
isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny
fanavotana ny tenantsika. »
ü
Tonga koa Izy hanome azy ireo fiainana mandrakizay
(Jaona 3:16; Romana 6:23):
(Jaona 3:16)
« Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny
Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana
mandrakizay . »
(Romana 6:23)
« Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no
fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika. »
ü
Tonga koa Izy hanafaka azy ireo amin’ny
fahatezerana ho avy (1 Tesaloiniana 1:10):
(1 Tesaloniana
1:10) « ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany
tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho
avy. »
ü
Ary tonga koa Izy hitondra famaliana an-karihary ho
azy ireo (ampit Apok 19:11-21; 20:1-6). Naminany ny fomba fisehoan’ity Mpanavotra
avy any ambony hita maso ity i Joba eto.
[Ny amin'ilay
nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny
mpaminany sandoka] (Apokalypsy 19:11) « Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka,
indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy
Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. » (Apokalypsy 19:12) « Ary ny masony
dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana
voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. » (Apokalypsy 19:13) « Ary miakanjo
akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany atsoina hoe Ny
Tenin'Andriamanitra. » (Apokalypsy
19:14) « Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary,
samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no
madio. » (Apokalypsy 19:15)
« Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny
firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny
famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. » (Apokalypsy 19:16) « Ary manana
anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY
MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. » (Apokalypsy
19:17) « Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana
teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny
voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho
amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra, » (Apokalypsy 19:18) « mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy
ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly
mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy
andevo, na kely na lehibe. » (Apokalypsy
19:19) « Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny
miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny
miaramilany. » (Apokalypsy 19:20)
« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay
nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny
mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona
ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apokalypsy 19:21) « Ary ny olona
sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly;
ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. »
[Ny amin'ny
namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo
taona] (Apokalypsy 20:1)
« Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny
fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; » (Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra
ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka
namatotra ary arivo taona, » (Apokalypsy
20:3) « dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy
izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro
intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy
maintsy hovahana kelikely aloha izy. » (Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary
nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na
teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo
amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona. » (Apokalypsy 20:5)
« Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo
taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara
amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa
fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy
arivo taona. »
Joba 19:26 REHEFA LEVONA
NY HODITRO, IZAO SIMBA IZAO, SADY AFAKA AMIN’NY NOFOKO AHO, DIA HAHITA AN’ANDRIAMANITRA
Nambaran’i Joba tamin’ny faminaniana ny faharesen-dahatra
nananany, ho afaka amin’ny nofony izay ho lo sy levona miaraka amin’ny hodiny
simban’ny aretina ao am-pasana; izy kosa hatsangana ho fanahy, ary hahita
an’Andriamanitra Mpanavotra azy. Ity ampahany ity dia ahitana ny niandohan’ny
fanambarana mikasika ny fiavian’i Kristy amin’ny andro farany sy ny
fitsanganan’ny tena amin’ny maty, ary ny hitondran’Andriamanitra famaliana soa farany
ho an’ireo izay mahatoky Azy.
Joba 19:27 ENY
IZAHO NO HAHITA AZY
Nitana toerana lehibe mihoatra lavitra noho ireo
fanirian’i Joba hafa rehetra hita ato amin’ity boky ity ny faniriany fatratra
ny hahita an’Andriamanitra Mpamonjy azy. Niandry fatratatra ilay andro izay
hahafahany mahita ny tavan’Andriamanitra izay mpanafaka azy tanterka i Joba.
Toy izany koa no anirian’ireo mpino ao amin’ny Test V
ny fiavian’ny Mpanavotra azy (1Kor 1:7; 2Tim 4:8) sy ny andro fahatanterahana;
koa “ny tabernakelin’Andriamanitra dia ho eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo
aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny”
(Apok 21:3), ka “hahita ny tavany” izy ireo (Apok 22:4).
(1 Korintiana 1:7)
« ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo,
miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, »
(2 Timoty 4:8)
« hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana,
izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho
ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. »
(Apokalypsy 21:3)
« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe:
Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo
aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho
Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] »
(Apokalypsy 22:4) « ka
hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. »
Jaona 17:20-26
Jaona 17:21 MBA
HO IRAY IHANY IZY REHETRA
Tsy firaisana ara-panambadiana akory ilay firaisana
angatahin’i Jesosy am-bavaka, fa firaisana ara-panahy miorina amin’ny
fivelomana ao amin’i Kristy (and 23);
fahafanterana sy fananana ny fitiavan’ny Ray sy ny fiombonana amin’I Kristy (and 26); fisarahana amin’izao tontolo
izao (and 14-16); fandraisana sy
finoana ny fahamarinan’ny Teny (and 6);
ary ny faniriana hitondra ny famonjena amin’izay very (and 21, 23). Raha misy tsy ao na iray amin’ireo singa ireo aza dia
tsy afaka hisy izany firaisana marina nangatahin’I Jesosy am-bavaka izany.
(1) Jesosy tsy
nangataka ny mpianany “hanjary iray” (miaraka tampoka vetivety), fa mba “ho iray”:
Fiarahana maharitra, izany hoe “ho iray lalandava”, ka firaisana miorina amina fifandraisana
iombonan’izy ireo amin’ny Ray sy ny Zanaka, sy amin’ny fananana toetra fototra iray ihany manoloana izao
tontolo izao sy ny Teny ary ny tia
mamonjy ny very.
(2) Ny fiezahana
hamorona firaisana ataon’olombelona amin’ny alalan’ny fihaonana, konferansy
na fikambanana maroloha dia mety hiafara amin’ny famadihana io
firaisana angatahin’i Jesosy am-bavaka io. Tsy “fihaonana mikendry
firaisana” tsara ivelany akory no tao an-tsain’i Jesosy fa mihoatra
noho izany, dia firaisana fo, tanjona, saina,
ary sitrapo amin’ny lafiny ara-panahy eo amin’ireo olona nanokantena tanteraka ho an’i Kristy sy ny Teny ary ny fahamasinana.
Jaona 17:22 NY
VONINAHITRA IZAY NOMENAO AHY
Ny voninahitr’i
Kristy dia ilay fiainam-panompoany feno fandavantena sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana ho fanavotana ny taranak’olombelona.
Toy izany koa ny voninahitry
ny mpino dia ilay lalan’ny fanompoana feno
fanetrentena sy ny fitondrany ny
hazofijaliany samirery. Ny fanetrentena,
ny fandavantena ary ny fanekena hijaly ho an’i Kristy no ho antoka hahazoantsika mpino firaisana marina sady
hitondra antsika ho amin’ny voninahitra marina tokoa.
1 Jaona
3:1-9
Andao hiverenantsika kely ny dikan'ny hoe "ateraka indray" araka ny Baiboly. Raha tena Kristiana isika, dia efa zanaka notorontoronin'Andriamanitra Ray eto amin'ity fiainana ity (1 Jaona 3: 1-2), fa ateraka ho fanahy amin’ny fiverenan’i Kristy (Jaona 3:3-8).
[Ny fahazotoan'ny
zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Rainy sy hifankatia amin'ny namany,
ary ny fahatokiana ananany] (1 Jaona 3:1) « Endrey! manao
ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika,
dia ny niantsoana antsika hoe
zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika!
Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao
tontolo izao, satria tsy nahalala “an’Andriamanitra” izy. [* Gr.
nomen'] » (1 Jaona 3:2)
« Ry malala, ankehitriny aza dia
zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola
naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia
izay tena endriny tokoa. » (ampitahao Jaona 3:3-8, sy Matio 17:1-3)
(Jaona 3:3)
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina
tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny
fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jaona 3:8) « Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy
fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky
ny Fanahy. »
(Matio 17:1)
« Ary nony afaka henemana, Jesosy dia
naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. »
(Matio 17:2) « Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro,
ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. »
(Matio 17:3) « Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy. »
(Matio 17:9) « Ary
rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao
hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona
amin'ny maty. »
Nefa na dia heverina ho zanak'Andriamanitra aza isika dia mpandova miandry fandovana ihany ankehitriny (Romana 8: 14-17) fa amin’ny fiverenan’i Kristy vao tena lasa mpandova mitantana ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra.
(Romana 8:14)
« Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. » (Romana 8:15) « Fa tsy nandray ny
fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny
zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. » (Romana 8:16) « Ny Fanahy dia
miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. » (Romana 8:17) « Ary raha zanaka,
dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy
koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy
koa. »
Nahoana no mpandova miandry fandovana ihany izao? Satria zanaka notorontoronin'Andriamanitra fotsiny ankehitriny, tsy mbola nateraka avy any ambony, izany hoe tsy mbola lasa fanahy. (Jaona 3:3, 8)
Rehefa ateraka avy amin'Andriamanitra isika vao lasa mpandova ny Fanjakan'Andriamanitra, sady lasa mpikambana ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra amin’ny maha Fanahy.
Alohan'ny hanombohan'ny famoronana ara-panahy dia tsy maintsy torontoronina antsika ara-panahy Andriamanitra Ray. Manao izany Izy amin'ny alàlan'ny fametrahana ny Fanahy Masina ao an-tsaintsika, mba hikambana amin'ny fanahin'olombelona amin'ny fibebahana sy ny batisa. Amin'izany fanorontoronana ara-panahy izany, ny Fanahy Masina dia azo oharina amin'ny tsiranoka iray ary ny sain'olombelona amin'ny atody iray izay iaraisan'ny Fanahin'Andriamanitra.
(1 Petera 1:3)
« Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay
niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana
velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty, » (1 Petera 1:4) « ho amin'ny lova
tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho
anareo, »
(1 Petera 1:23)
« fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny
tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. »
(Jakoba 1:18)
« Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba
ho santatry ny zavatra noforoniny isika. »
Fantatsika fa ny ampahany amin'ny Fanahy Masina izay raisin'ny olona amin'ny fanorontoronana ara-panahy dia manome azy zavatra mihoatra ny fahafahany manana fiainana mandrakizay. Manome antsika koa ny toetra sy fombam-piainan'Andriamanitra Ray izany (2 Petera 1: 3-4), toy ny fiasan'ny tsiranon'olombelona iray mamindra ny fombany sy ny toetrany amin'ny taranany vao torontoronina ao an-kibon-dreniny. Ary tahaka ny zaza vao torontoronina mitombo ao an-kibon-dreniny, isika koa dia tokony hanomboka mitombo ara-panahy rehefa avy torontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra.
Raha tena Kristiana marina ianao araka ny voafaritry ny Baiboly, dia zanaka notorontoronin'Andriamanitra Ray ianao ankehitriny. Voalonaky ny Fanahin'Andriamanitra ianao, dia ilay "voa" ara-panahy manome fiainana mandrakizay amin’ny farany - koa afaka manomboka ny fizotry ny fitomboana ara-panahy ianao. Nefa tsy mbola naterak'Andriamanitra ianao, tsy mbola tonga fanahy – fa mbola tsy nandalo fahafatesana.
Aoka ho azontsika tsara ny momba ny fitomboana ara-panahy tsy maintsy hitranga aorian'ny nanorontoronan'ny Fanahy Masina ny olona iray.