MANDROSO HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Ezekiela 36:27-29
Jaona 4:19-24
Asan’ny Apostoly
1:4-8
NY HERIN’NY FANAHY MASINA
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
1.
Mila mahafantatra sy mino an’Andriamanitra vao mahafanatra ny Fanahy Masina; izay vao mivavaka amin’ny Fanahy sy ny
fahamarinana
Andriamanitra Fanahy, Mpamorona Sy Mpitantana Ny Zavaboary Rehetra
Aiza ny boky milaza ny fiandohana ao amin’ny Baiboly? Tsy
ny Genesisy 1:1 akory fa ny Jaona 1:1-3
(Jaona 1:1)
« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1:2) « Izy dia tao
amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. » (Jaona 1:3) « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy
Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. » (Jaona 1:14) « Ary ny Teny dia
tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra
miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy
fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] »
[Andriamanitra
= « Elohim » = Andriamanitra Tsitoha sy ny Teny, na
Mpitondra Teny.] « Mot singulier à sens pluriel », tahaka
ny « Fajakana »,
« Fianakaviana », « Firenena »]
2.
Faminaniana ny min’ny hahaterahan’i
Jesosy, manambara ny asan’ny Fanahy Masina sy ny momba Azy
(Matio 1:23)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka
hiteraka zazalahy; Ary ny anarany
hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa.
7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika
Andriamanitra. »
(Lioka 1:35) « Ary ilay
anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny FANAHY MASINA ho tonga ao aminao, ary hisy HERIN'NY AVO INDRINDRA hanaloka anao;
koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe
Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao] »
3.
Jesosy efa nisy talohan’ny
namoronana izao tontolo izao
(Ohabolana 8:22)
« Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany
hatramin'ny taloha.[Na: nahazo] » (Ohabolana
8:23) « Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny
voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. » (Ohabolana 8:24) « Fony tsy mbola
ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika
be, » (Ohabolana 8:25)
« Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana,
no efa teraka aho, » (Ohabolana
8:26) « Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny
vovo-tany ambonin'izao rehetra izao. » (Ohabolana 8:27) « Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho,
Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, » (Ohabolana 8:28) « Raha nampitoetra
ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny
lalina, » (Ohabolana 8:29)
« Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano
mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, » (Ohabolana 8:30) « Dia
mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao
mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina] » (Ohabolana 8:31) « Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana,
Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. »
(Kolosiana 1:15) « Izy
no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra
izao; » (Kolosiana 1:16)
« fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety
ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na
fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy
izany; [* Gr. seza fiandrianana] » (Kolosiana
1:17) « ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no
aharetan'ny zavatra rehetra. » (Kolosiana 1:18) « Ary Izy no Lohan'ny
tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba
ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] » (Kolosiana 1:19) « Fa sitraky ny
Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, » (Kolosiana 1:20) « sady Izy no
hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo
fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana
izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. » (Kolosiana 1:21) « Ary ianareo,
izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy,
no efa nampihavaniny ankehitriny » (Kolosiana
1:22) « tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony
ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. »
4.
Jesosy Kristy Mpisorona. Fampitahana
an'i Kristy sy Melkizedeka
Hebreo
7:1-3; 25-28; 10:19-21; Apokalypsy 1:6
(Hebreo 7:1) « Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra
Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama,
rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, »
(Hebreo 7:2) « sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra
rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny
fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny
fiadanana; » (Hebreo 7:3) « tsy manan-dray,
tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na
faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra,- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. » (Hebreo 7:25) « koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra
amin'ny alalany Izy, satria velona
mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany] » (Hebreo 7:26) « Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika:
dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy
loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, » (Hebreo 7:27) « Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny
ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao
noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony
indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. » (Hebreo 7:28) « Fa ny lalàna dia
manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana
kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho
mandrakizay. »
(Hebreo 10:19) « Koa
amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana
masina isika noho ny ran'i Jesosy, » (Hebreo
10:20) « amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady
velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, » (Hebreo 10:21) « sady manana
Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, »
(Apokalypsy 1:6)
« sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra
Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. »
Ny Herin’ny Fanahy Masina
Nanao ity fampanantenana manaraka ity tamin’ireo mpianany i Jesosy: « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo » ... (Asan'ny Apostoly 1:8).
Inona no tiany holazaina tamin'ity fanambarana ity? Io hery io ihany no ilay Fanahy izay nitoetra tao aminy ary nahavitany nankatò tanteraka an'Andriamanitra Ray. Ahoana no ampiharana io fampanantenana io amintsika ankehitriny?
Vitsy ny olona mahazo ny tena Fanahy Masina, ny fahafaha-manaony na ny heriny. Tsy nateraka nanana Fanahy Masina avy hatrany isika. Mila mandray azy isika (Asa. 2:38).
Ny anton’ny batisa amin’ny Fanahy Masina voalohany indrindra dia ny handraisana hery hahatonga ho vavolombelon’I Kristy, ka hitaona ireo very hiverina ao aminy, ary hampianarana azy ireo hankatò izay rehetra nandidian’I Kristy.
(1). Ny teny hoe “hery” dia manana dika mihoatra noho izay enti-milaza tanjaka na traikefa. Izay anisan’ny hevitra tena fonosiny dia ny HERY aseho amin’ny hetsika na amin’ny asa. Asongadin’i Lioka fa anisan’ny hery omen’ny Fanahy Masina ny fahefana handroaka fanahy ratsy, ary ny hosotra hanasitrana ny marary, izay famantarana roa lehibe miaraka amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lio 4:14, 18, 36; 5:17; 6:19; 9:1-2; Asa 6:8; 8:4-8; 12-13; 10:38; 13:3; 19:8-12).
(Lioka 4:14) « Ary Jesosy niverina tamin'ny
herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny
lazany. »
(Lioka 4:18) « Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka
Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba,
Hanafaka izay nampahorina, »
(Lioka 4:36) « Ary talanjona avokoa izy rehetra
ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no
andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. »
(Lioka 5:17) « Ary tamin'ny andro anankiray, raha
nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna,
izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany
Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. »
(Lioka 6:19) « Ary ny vahoaka rehetra nitady
hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra. »
(Lioka 9:1) « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny
folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia
rehetra sy hahasitrana aretina. »(Lioka 9:2) « Ary Izy naniraka ireo
handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »
(Asan'ny Apostoly 6:8) « [Ny amin'i Stefana] Ary
Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe
teo amin'ny vahoaka. »
(Asan'ny Apostoly 8:4) « Ary izay niely dia
nandeha nitory teny tontolo eny. » (Asan'ny Apostoly 8:5) « Ary
Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona
tao. » (Asan'ny Apostoly 8:6) « Ary ny vahoaka betsaka dia niray
hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana
nataony. » (Asan'ny Apostoly 8:7) « Fa ny fanahy maloto niantso
tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny
mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. » (Asan'ny Apostoly 8:8) « Dia nisy fifaliana lehibe
tao amin'izany tanàna izany. »
(Asan'ny Apostoly 8:12) « Ary rehefa nino an'i
Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny
anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. » (Asan'ny
Apostoly 8:13) « Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia
nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa
lehibe izay natao. »
(Asan'ny Apostoly 10:38) « Izay
nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha
nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria
Andriamanitra nomba Azy. »
(Asan'ny Apostoly 13:3) « Ary rehefa nifady hanina
sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. »
(Asan'ny Apostoly 19:8) « Ary Paoly niditra tao
amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana
ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. »
(Asan'ny Apostoly 19:9) « Fa raha nikiribiby ny
sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny
olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia
niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr.
lalana] » (Asan'ny Apostoly 19:10) « Ary naharitra roa taona
ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany
Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] » (Asan'ny Apostoly 19:11)
« Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe
maro, » (Asan'ny Apostoly 19:12) « ka dia ny mosara sy ny
fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny
aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. »
Ny firotsahan’ny Fanahy Masina manome hery ny mpino eo amin’ny fiainany dia mitarika azy ireo hijoro ho vavolombelona hanambara “amin-kery” (Asa 4:33), miaraka amin’ny “famantarana” maro sy fahagagana (Asa 2:43; 5:12-16; 6:8-8; 14:3; 19:11-12), narahim-pahombiazana mahatalanjona (Asa 4:4; 6:7; 8:8; 9:33-35; 11:21, 24; 12:24; 14:21; 16:5; 19:10, 20).
Hijoro ho vavolombelona
hanambara “amin-kery”
(Asan'ny Apostoly
4:33) « Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny
nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. »
Miaraka amin’ny “famantarana”
maro sy fahagagana
(Asan'ny Apostoly
2:43) « Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy
famantarana maro no nataon'ny Apostoly. »
[Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana]
(Asan'ny Apostoly
5:12) « Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy
fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny
Fialofan'i Solomona; » (Asan'ny Apostoly
5:13) « ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy;
nefa nankalaza azy ny vahoaka. » (Asan'ny
Apostoly 5:14) « Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy
izay nino ny Tompo nanampy ho isany; » (Asan'ny Apostoly 5:15) « ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny
marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny
tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. » (Asan'ny Apostoly 5:16) « Ary ny olona maro avy tamin'ny
vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay
nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra. »
(Asan'ny Apostoly
6:8) « [Ny amin'i Stefana]
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana
lehibe teo amin'ny vahoaka. »
(Asan'ny Apostoly
14:3) « Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho
ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny
fahasoavany »
Narahim-pahombiazana mahatalanjona
(Asan'ny Apostoly
4:4) « Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga
tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. »
(Asan'ny Apostoly
6:7) « Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny
isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny
finoana. »
(Asan'ny Apostoly
8:8) « Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. »
(Asan'ny Apostoly
9:33) « Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa
nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa. » (Asan'ny Apostoly 9:34) « Ary
hoy Petera
taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy
Kristy; mitsangàna, ka amboary ny
fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. » (Asan'ny Apostoly 9:35) « Ary
nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo. »
(Asan'ny Apostoly
11:21) « Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no
isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo. »
(Asan'ny Apostoly
11:24) « Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy
finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo. »
(Asan'ny Apostoly
12:24) « Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra. »
(Asan'ny Apostoly
14:3) « Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho
ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany »
(Asan'ny Apostoly
14:21) « Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany
izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary
Antiokia indray izy, »
(Asan'ny Apostoly
16:5) « Ary nihanahery finoana ny
fiangonana sady nihamaro isan'andro. »
(Asan'ny Apostoly
19:10) « Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia
nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*.
[* Gr. Grika] »
(Asan'ny Apostoly
19:20) « Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy
ny heriny. »
(2). Ireo tenin’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly ireo dia manamafy fa ny batisa amin’ny Fanahy Masina dia ahazoana hery hijoroana mandeha araka ny lalàn’Andriamanitra sy hitandrina ny fitsipik’Andriamanitra, ary hanaraka azy, araka izay nampilazain’i Jehovah ny mpaminany Ezekiela (Eze 36:27). Izany koa no maha-vavolombelon’i Kisty, hahazoan’ny mpino vokatra lehibe.
(3). Ny tena asan’ny fanahy Masina mikasika ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fitoriana dia ny famenoany ny mpino amin’ny hery, ahafahan’izy ireo haneho ny asam-pamonjena nataon’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty.
(Asan'ny Apostoly
3:8) « Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary
niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny
niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. »
(4). Ny Fanahy Masina dia loharanom-pahefana mahery vaika sy mavitrika, izay mety ho ampahany amin'ny saintsika. Io no fototra, fiainana, hery, fanahy ary toetran'Andriamanitra. Izy io dia hery afaka manao fahagagana, ary tsy maintsy ao anatintsika izany mba hahafahatsika miova.
Jesosy Kristy dia feno izany hery mihoatra ny herin’olombelona izany. Tamin’ny alalan’io Fanahy Masina io no nanatanteraheny ny fahagagana nataony (Asa 2:22). Nanasitrana ny marary izy, nandroaka devoly, nandidy ny tafio-drivotra ho tony, namadika ny rano ho divay. Tamin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina no nitandremany ny lalan'Andriamanitra - ny Didy Folo (1 Pi. 2: 21-22).
(Asan'ny Apostoly
2:22) « Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy
any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe
sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo,
tahaka ny fantatrareo ihany, »
(1 Petera 2:21)
« Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany; » (1 Petera 2:22) « "Izay tsy
nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9); »
Jesosy dia nanana izany hery lehibe izany; na izany aza dia hoy Izy hoe: "Raha Izaho ihany dia tsy mahay manao na inona na inona" (Jaona 5:30). Niasa tamin’ny herin’ Andriamanitra Izy. "Ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa," hoy Izy (Jaona 14:10).
Ny Ray nitoetra tao amin'i Jesosy tamin'ny alalan’ny Fanahy Masina.
(Jaona 5:30)
« Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko
no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny
sitrapon'izay naniraka Ahy. »
(Jaona 14:10)
« Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny
izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra
ato amiko no manao ny asa. »
Hery Enti-Mankatò ny Lalàn'Andriamanitra
Jesosy tsy nanafoana ny Lalàna. Nampiorina sy nanantitrantitra azy Izy, tamin’ny nampisongadinany ny dikany ara-panahy (Isaia 42:21). Nampianatra izy fa ny fankahalana rahalahy iray ao an-tsaina dia efa fahotana (Mat. 5: 21-22 ary 1 Jaona 3:15).
(Matio 5:21)
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny
fitsarana. » (Matio 5:22)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay
rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana;
ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny
hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia
miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr.
Gehena] »
(1 Jaona 3:15)
« Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo
fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao
anatiny. »
Eny tokoa, nohamafisiny ny haavon’ny Lalàna ara-panahy; Nasehony antsika - tamin'ny fiainana izay nitondrany teto - ny fomba ampiharana ny lalàna ho an'ireto tanjona lavorary sy ara-panahy ireto. Ny fifehezana fotsiny ny ataontsika dia tsy ampy intsony, fa tsy maintsy manana fo sy saina madio isika, tsy manota, sahala amin’i Jesosy.
Na izany aza, ireo izay mieritreritra fa nofoanana ny Lalàna dia hiteny hoe: "Tsy misy olona afaka mitandrina tanteraka ny didy amin'ny lafiny ara-panahy. Raha amin’ny maha-olombelona dia tsy vita izany!"
Marina izany.
Ny Isiraely fahiny, izay tao ambanin'ny Fanekena taloha, dia nanaporofo izany
tamintsika. Tsy misy olona afaka mitandrina tanteraka ny Lalàna. Tsy
nieritreritra ny fitandremana ara-panahy ny Lalàn'ny Fitiavana ny Isiraelita.
Ny tenantsika koa, amin'ny ezaka ataontsika manokana, dia tsy hahomby na oviana na oviana amin'ny fanaovana izany. Mila ny herin'ny Fanahy Masina isika.
Amin’ny alalan’izany fanampiana izany no hahazoantsika ny valisoa feno fahasambarana sy manankarena, izay vokatry ny fitandremana ny Lalàna. Ary koa, afaka mizara amin'i Abrahama ny fampanantenana lova mandrakizay nomena azy isika.