MANDROSO HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
NY BATISAN’NY
FANAHY MASINA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Ezekiela 36:24-30
Jaona 4:19-24
Asan’ny Apostoly 1:4-8
Ezekiela 36:24-30
[Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely sy ny
fahamasinany]
(Ezekiela 36:24)
« Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any
amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. » (Ezekiela 36:25) « Dia hofafazako
rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy
ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:26) « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy
vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka
homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela
36:27) « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo
handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:28) « Ary honina any
amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho
ho Andriamanitrareo. » (Ezekiela
36:29) « Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra
ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary
intsony ianareo; » (Ezekiela 36:30)
« ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho
voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo. »
Jaona 4:19-24
[Ny nankanesan’i
Jesosy tany Galilia indray, sy ny resaka nataony tamin’ilay vehivavy
Samaritana]
(Jaona 4:19)
« Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. » (Jaona 4:20) « Ny razantsika
nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any
Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona
4:21) « Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka
tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo
amin'ny Ray. » (Jaona 4:22)
« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka
amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona
4:23) « Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena
mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa
mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:24) « Andriamanitra dia
Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana. »
Asan’ny Apostoly 1:4-8
[Fitarihan-teny sy
filazana ny nanafaran’i Jesosy ny mpianany, sy ny niresahany taminy, raha
niakatra ho any an-danitra]
(Asan'ny Apostoly
1:4) « Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy
tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo
tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] » (Asan'ny Apostoly 1:5) « fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano;
fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro
vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:6)
« Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no
hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? » (Asan'ny Apostoly 1:7) « Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny
hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany
ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asan'ny Apostoly 1:8) « Fa hahazo
hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko
any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. »
FAMPIDIRANA NY TORITENY
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Batisa Amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy sy Batisa Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Inona no maha samy hafa an’ireo?
BATISA AMIN'NY ANARAN'I JESOSY KRISTY
Jesosy nandidy ny mpianatra hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny Apostoly kosa nanao batisa amin’ny anaran’I Jesosy Kristy.
Ho fanazavana ny fiavahany dia mila miverina amin’ny dikan’ny teny hoe “batisa” sy ny “teny nadika hoe amin’ny”.
Koa ny fehezanteny hoe “batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy” dia misy dikany manokana. Takatrao ve izany?
1. Nanao batisa ny mpino tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy ve ny apostoly? Asan’ny Apostoly 10:48.
Ny teny hoe "batisa" dia avy amin'ny teny Grika baptismos na Baptizo, izay midika hoe “fanitrihana” na “fandetehana ao anaty” na “fandevenana tanteraka”.
(Asan'ny Apostoly 10:48) « Dia
nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo
mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. »
Fanamarihana: Amin'ny teny grika tany am-boalohany, nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ny teny hoe: "amin'ny anaran'i Jesosy”, dia midika hoe "amin'ny fahefan'i Jesosy". Raha manao zavatra ianao "ho an'ny olona iray", dia ataonao amin'ny heriny, amin'ny fahefany, miaraka amin'ny fahazoan-dàlana mazava.
(Kolosiana 3:17) « Ary na inona na
inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny
anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin'ny
alalany. »
2. Milaza ve ny Baiboly fa nanao batsia mpianatra maro kokoa noho i Jaona i Jesosy? Jaona 3:22 sy 4: 1-3. Ny tenan’i Jesosy mivantana ve no nanao ny batisa? Sa iza no nanao izany?
(Jaona 3:22)
« Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny
mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. »
(Jaona 4:1) « Koa amin'izany,
rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra
maro sy manao batisa be noho Jaona » (Jaona
4:2) « (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), » (Jaona 4:3) « dia niala tany Jodia
Izy ka nankany Galilia indray. »
Fanamarihana: Jesosy manokana tsy nanao batisa, fa ny mpianany no nanao izany.
BATISA AMIN'NY ANARAN'NY RAY SY NY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA
1. Moa ve ny mpino mibebaka tokony hatao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? Matio 28:19.
(Matio 28:19) « koa mandehana
ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny
anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »
Fanamarihana: Eto, ny teny grika eis, izay nadika hoe "amin’ny" dia milaza koa hoe "anatiny". Ny Soratra Masina izany manondro hoe “atao batisa” isika, na “asitrika” ao “anatin'ny” Anaran'ny Fianakavian'Andriamanitra - ary izany, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy na amin'ny fahefan'i Jesosy Kristy.
Ankehitriny, ny mpikambana ao amin’ny fianakavian'Andriamanitra, dia ny Ray sy i Jesosy Kristy Zanany. Ny Fanahy Masina no toetra sy hery ary fototry ny fianakavian'Andriamanitra (Jaona 4:24). Mifanohitra amin'ny hevitry ny besinimaro, ny Fanahy Masina dia tsy olona fahatelo.
(Jaona 4:24) « Andriamanitra dia
Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana. »
Aorian'ny batisa, rehefa mandray ny Fanahy Masina isika, dia io Fanahy io no ahafahantsika manana toetra araka an'Andriamanitra. Ary amin'ny farany dia haterak'Andriamanitra ho Fanahy isika, ho tonga zanany, mandova ny Fanjakany. Ny zaza iray vao teraka dia mitondra ny anaran-drainy. Dia toy izany koa, raha zanaka notorontoronin'Andriamanitra isika ankehitriny, dia hitondra ny anaran’Andriamanitra rehefa teraka ao amin'ny Fanjakany ara-panahy (Romana 8:14, 1 Jaona 3: 1).
(Romana 8:14) « Fa izay tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. »
(1 Jaona 3:1) « Endrey! manao
ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe
zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala
antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] »
Rehefa atao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika dia lasa mpikambana ao amin'ny Fianakavian'izy ireo, toy ny zanaka notorontoronina, - saingy mbola tsy teraka ara-panahy.
TORITENY
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
NY BATISAN’NY FANAHY MASINA
Raha tsy manana ny Fanahy Masina Tsy Mahay Mandeha Araka ny Lalàna sy Mitandrina
Azy
Ezekiela 36:24-30
[Ny fifampiankinan'ny famonjena ny Isiraely
sy ny fahamasinany]
(Ezekiela 36:24)
« Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any
amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. » (Ezekiela 36:25) « Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio;
ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo
rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:26) « Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy
vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko
amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:27) « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. »
(Ezekiela 36:28) « Ary honina
any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho
Andriamanitrareo. » (Ezekiela
36:29) « Ary hovonjeko ho afaka
amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko
sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako
mosary intsony ianareo; » (Ezekiela
36:30) « ary hataoko vokatra koa ny
voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary
intsony ianareo. »
Ny Olona Manana ny Fanahin’Andriamanitra no Mahay Mivavaka Amin’ny Fanahy sy
Fahamarinana
Jaona 4:19-24
[Ny nankanesan’i Jesosy tany Galilia indray, sy ny resaka nataony tamin’ilay
vehivavy Samaritana]
(Jaona 4:19)
« Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. » (Jaona 4:20) « Ny razantsika
nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any
Jerosalema no tokony hivavahana. » (Jaona
4:21) « Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity,
na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. » (Jaona 4:22) « Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka
amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jaona
4:23) « Fa avy ny andro*, sady
tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy
sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
[*Gr. ora] » (Jaona 4:24)
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay
mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. »
Asan’ny Apostoly 1:4-8
[Ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra
ho any an-danitra]
(Asan'ny Apostoly
1:4) « Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny
fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na:
niara-nihinana] » (Asan'ny Apostoly
1:5) « fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka
andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly
1:6) « Koa izay tafangona teo
dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho
amin'ny Isiraely? » (Asan'ny Apostoly
1:7) « Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny
fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny
Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asan'ny
Apostoly 1:8) « Fa hahazo hery ianareo
amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. »
Ny Batisan’ny Fanahy Masina dia Aorian’ny Batisan’ny Fibebahana
(Asan'ny Apostoly
2:38) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao
batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana
ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; »
(Asan'ny Apostoly
19:1-20) « Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany
ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy »
(Asan'ny Apostoly 19:2) « ka nanao
taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa
ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. »
(Asan'ny
Apostoly 19:3) « Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy
ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. »
(Asan'ny Apostoly 19:4) « Fa hoy
Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay
ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » (Asan'ny Apostoly 19:5) « Ary raha
nahare izany izy, dia natao batisa
ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » (Asan'ny Apostoly 19:6) « Ary
rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina;
ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. » (Asan'ny Apostoly 19:7) « Ary tokony
ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. »
Ny Batisan’ny Fanahy Masina dia Ahazoana ny Herin’ny Fanahy Masina
Nanao ity fampanantenana manaraka ity tamin’ireo mpianany i Jesosy: « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo » ... (Asan'ny Apostoly 1:8).
Inona no tiany holazaina tamin'ity fanambarana ity? Io hery io ihany no ilay Fanahy izay nitoetra tao aminy ary nahavitany nankatò tanteraka an'Andriamanitra Ray. Ahoana no ampiharana io fampanantenana io amintsika ankehitriny?
Vitsy ny olona mahazo ny tena Fanahy Masina, ny fahafaha-manaony na ny heriny. Tsy nateraka nanana Fanahy Masina avy hatrany isika. Mila mandray azy isika (Asa. 2:38).
Ny anton’ny batisa amin’ny Fanahy Masina voalohany indrindra dia ny handraisana hery hahatonga ho vavolombelon’i Kristy, ka hitaona ireo very hiverina ao aminy, sy hampianatra azy ireo hankatò izay rehetra nandidian’i Kristy.
Ny teny hoe “HERY” dia manana dika mihoatra noho izay enti-milaza tanjaka na traikefa. Anisan’ny hevitra tena fonosiny ny HERY aseho amin’ny hetsika na amin’ny asa. Asongadin’i Lioka fa anisan’ny hery omen’ny Fanahy Masina ny fahefana handroaka fanahy ratsy, ary ny hosotra hanasitrana ny marary, izay famantarana roa lehibe miarka amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lio 4:14, 18, 36; 5:17; 6:19; 9:1-2; Asa 6:8; 8:4-8; 12-13; 10:38; 13:3; 19:8-12).
Ny Fitoriana ny
Fanjakan’Andriamanitra dia Fenoin’i
Jesosy amin’ny Famantarana roa lehibe:
o 1) fahefana handroaka fanahy ratsy, sy
o 2) hosotra hanasitrana ny marary
Ireto ny ohatra:
(Lioka 4:14)
« Ary Jesosy
niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany
rehetra manodidina ny lazany. »
(Lioka 4:18)
« Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka
Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba,
Hanafaka izay nampahorina, »
(Lioka 4:36)
« Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny
izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no
andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. »
(Lioka 5:17)
« Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka
teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna
rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao
aminy mba hahasitranany. »
(Lioka 6:19)
« Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala
taminy ka nahasitrana azy rehetra. »
(Lioka 9:1)
« Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo
lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy
hahasitrana aretina. » (Lioka
9:2) « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny
fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »
(Asan'ny
Apostoly 6:8) « [Ny amin'i
Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy
famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. »
(Asan'ny
Apostoly 8:4) « Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo
eny. » (Asan'ny Apostoly 8:5)
« Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny
olona tao. » (Asan'ny Apostoly 8:6)
« Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i
Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. » (Asan'ny Apostoly 8:7) « Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery,
dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy
ny mandringa no nositraniny. » (Asan'ny Apostoly 8:8) « Dia nisy
fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. »
(Asan'ny Apostoly
8:12) « Ary rehefa nino an'i Filipo
nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i
Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. » (Asan'ny Apostoly 8:13) « Ary
Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary
talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. »
(Asan'ny Apostoly
10:38) « Izay nohosoran'Andriamanitra
tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana
izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. »
(Asan'ny Apostoly
13:3) « Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy
izy, dia nandefa azy. »
(Asan'ny Apostoly
19:8-12) « Ary Paoly niditra tao
amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra. » (Asan'ny
Apostoly 19:9) « Fa raha nikiribiby
ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo
imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra
nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
[* Gr. lalana] » (Asan'ny Apostoly
19:10) « Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia
nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] » (Asan'ny Apostoly 19:11) « Ary ny
tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, » (Asan'ny Apostoly 19:12) « ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no
nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy
ratsy. »
Ny Firotsahan’ny Fanahy Masina Manome Hery ny Mpino eo Amin’ny Fiainany
Izany nitarika azy ireo hijoro ho vavolombelona hanambara “amin-kery” (Asa 4:33), miaraka amin’ny “famantarana” maro sy fahagagana (Asa 2:43; 5:12-16; 6:7-8; 14:3; 19:11-12),
(Asan'ny Apostoly
4:33) « Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny
nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. »
(Asan'ny Apostoly
2:43) « Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. »
Fahagagana
nataon'ny Apostoly nampandroso ny fiangonana
(Asan'ny Apostoly
5:12) « Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy
fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo
amin'ny Fialofan'i Solomona; » (Asan'ny
Apostoly 5:13) « ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray
taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. »(Asan'ny Apostoly 5:14) « Ary vao mainka nisy olona maro koa
na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; »(Asan'ny Apostoly 5:15) « ka dia
nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy
fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo
izy. »(Asan'ny Apostoly 5:16)
« Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia
nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana
avokoa izy rehetra. » (Asan'ny
Apostoly 6:7) « Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro
indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona
nanaiky ny finoana. »
(Asan'ny Apostoly
6:8) « Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia
nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. »
(Asan'ny Apostoly
14:3) « Ary Paoly nitoetra
ela teo, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay
nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany » (Asan'ny Apostoly 19:11) « Ary ny
tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, » (Asan'ny Apostoly 19:12) « ka dia
ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia
sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. »
Hery Narahim-Pahombiazana Mahatalanjona (Asa 4:4; 6:7; 8:8; 9:33-35; 11:21, 24; 12:24; 14:21; 16:5; 19:10, 20).
(Asan'ny Apostoly
4:4) « Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga
tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. »
Fitoriana sy Fanasitranana
nataon’i Petera
(Asan'ny Apostoly
8:8) « Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. »
(Asan'ny Apostoly 9:33) « Ary
izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa
nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa. » (Asan'ny Apostoly 9:34) « Ary hoy
Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka
amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. »
(Asan'ny Apostoly 9:35) « Ary
nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny
Tompo. »
Fitoriana
nataon’i Paoly sy Barnabasy tany Kyprosy, Kyrena sy Antokia
(Asan'ny Apostoly
11:21) « Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay
nino sy niverina ho amin'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 11:24) « Fa lehilahy tsara fanahy izy sady
feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny
Tompo. »
Fitoriana
nataon’i Paoly sy Barnabasy tany Lystra sy Derba sy Ikonioma ary Lykonia sy Antiokia
(Asan'ny Apostoly
14: 21) Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy dia
nahazo mpianatra maro. (Asan'ny
Apostoly 16:5) « Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro. »
Fitoriana nataon’i Paoly tany Efesosy
(Asan'ny Apostoly
19:1-20) « Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany
ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy »
(Asan'ny Apostoly 19:2) « ka nanao
taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa
ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. »
(Asan'ny
Apostoly 19:3) « Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy
ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. »
(Asan'ny Apostoly 19:4) « Fa hoy
Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay
ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » (Asan'ny Apostoly 19:5) « Ary raha
nahare izany izy, dia natao batisa
ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » (Asan'ny Apostoly 19:6) « Ary
rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina;
ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. » (Asan'ny Apostoly 19:7) « Ary tokony
ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 19:10) « Ary naharitra
roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra
nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] » (Asan'ny Apostoly 19:11) « Ary
ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, » (Asan'ny Apostoly 19:12) « ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy
no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy
ratsy. » (Asan'ny Apostoly
19:19) « Ary maro ny mpanao ody no
nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony
voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. » (Asan'ny Apostoly 19:20) « Fatratra toy izany no fandroson'ny
tenin'Andriamanitra sy ny heriny. »
ð FEHINY: Mahereza, fa ny 1) Fanambaranao ny Fanjakan’Andriamanitra dia fenoin’i Jesosy amin’ny famantarana roa lehibe: 2) fahefana handroaka fanahy ratsy, ary 3) hosotra hanasitrana ny marary.
Ho
an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!