SEKOLY SABATA
TOMBONTSOA ARA-PANAHY LEHIBE
ANKEHITRINY
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Efa hitantsika fa fitahiana mahatalanjona maro no tanterahina amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina. Saingy mbola misy tombony lehibe hafa azo alaina amin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamanitra.
1. Moa ve ny sain'olombelona - tsy manana afa-tsy ny fanahin'olombelona, izay tsy mahatakatra afa-tsy ny fahatakaran'olombelona - mahatakatra ny zavatra ara-panahin'Andriamanitra? 1 Kor. 2: 9, 14.
(1 Korintiana 2:9) « Fa araka ny voasoratra hoe:
Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao
am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay
tia Azy (Isa. 64. 3), » (1 Korintiana 2:14) « Fa ny olona izay
araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa
fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana
izany. »
Inona no tokony homena azy alohan'ny hahatakaran'ny olona fahalalana ara-panahy? Andininy 10-13.
(1 Korintiana 2:10) « dia isika no
nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny
zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1
Korintiana 2:11) « Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny
fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny
ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. » (1
Korintiana 2:12) « Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa
ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra
nomen'Andriamanitra antsika. » (1 Korintiana
2:13) « Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny
fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy
amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha
zava-panahy] »
Fanamarihana: Ny Fanahy Masina dia manome ny olona iray fahalalana ny fotokevitra sy fitsipika ara-panahy - ny tena fahamarinan'Andriamanitra!
Ao amin'ny Jaona 6:63, i Kristy dia nanambara fa ny teniny dia ara-panahy: "Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." Nambaran'Andriamanitra ao amin'ny Romana 7:14 ihany koa fa ara-panahy ny lalàny.
(Romana 7:14) « Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny
lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. »
Ny Baiboly sy ny lalàna sy ny fitsipika ao anatiny dia ara-panahy. Ary ny zavatra ara-panahy dia tsy azon’ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra fantarina .
Ny zavatra ara-panahy dia tsy hita maso, na re amin'ny sofina, na tsapa amin'ny tanana. Ny sain'olombelona izay ahazoana fahalalana amin'ny alàlan'ny fahatsapana ara-batana fotsiny dia tsy afaka hahatakatra ny foto-kevitra sy fitsipika ara-panahy raha tsy ampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Ny eritreritra ara-tsiansa sy filozofia lehibe indrindra dia tsy afaka hahatakatra ny fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny sainy ihany.
Tahaka ny tsy ahatakaran’ny atidoham-biby ny raharahan'ny zanak'olombelona - ohatra, toy ny an'ny omby, no tsy hahatakaran’ny sain'olombelona zavatra ara-panahy, raha tsy efa nahazo ny Fanahy Masin'Andriamanitra izy!
Raha tsy misy ny Fanahy Masina dia tsy azon'ny olona ara-panahy ny Baiboly. Noho izany, ny olona antonony dia manohitra ary tsy mandray ny fahamarinan'Andriamanitra, ary mijery ireo izay mahazo sy mampihatra azy ho toy ny hafahafa! Araka ny nolazain'i Paoly, ny zavatra ara-panahy dia "fahadalana" amin'ireo tsy niova fo (1 Kor. 2:14).
(1 Korintiana 2:14) « Fa ny olona izay araka ny nofo
ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy
izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. »
Talohan'ny niovan'izy ireo fo, dia tsy nahazo ny Baiboly sy ny fomba fiainan’Andriamaitra ireo zanaka notorontoroniny. Saingy nanomboka teo dia notaomin’Andriamanitra ho any amin'i Kristy izy ireo, (Jaona 6:44), tamin'ny alalan’ny Fanahy Masina; - ary nanomboka nomeny fahalalana ara-panahy sasany.
(Jaona 6:44) « Tsy misy olona mahay manatona Ahy,
raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro
farany. »
Notarihiny izy ireo hahatakatra ny dikan'ny fibebahana marina. Taorian'ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahin'ny fanorontoronana avy amin'ny Ray, ary ny fitohizan'izany Fanahy izany avy amin'i Kristy, dia nanomboka nahazo sy nitandrina ny lalàn'Andriamanitra izy ireo. Ary arakaraka ny naneken'izy ireo an'Andriamanitra sy ny lalàny no nitomboan'ny fahatakaran'izy ireo ara-panahy. Mariho izay nampirisihan'Andriamanitra an'i Davida hanoratra toy izao:
(Salamo 111:10) « Ny fahatahorana an'i Jehovah no
fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany*;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo] »
2. Raha amin’ny tenany irery, moa ve ny saina, nomen’Andriamanitra tamin’ny famoronana "nofo" (ara-nofo) (izay nahaterahantsika rehetra) afaka mahatakatra ny tena tanjon'ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy, ka afaka mankatò izany – sa tsy afaka ny hitia an'Andriamanitra marina, sy ny olona? ”Rom. 8: 7-8; Gal. 5: 19-21.
(Romana 8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra
ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy
akory izany. » (Romana 8:8) « Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay
manao ny sitrapon'Andriamanitra. »
(Galatiana 5:19) « Fa miharihary ny asan'ny nofo,
dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:20)
« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana,
adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana
5:21) « fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay
lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany
dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »
3. Fa inona no vokatry ny saina entanin'ny Fanahin'Andriamanitra? Rom 8: 6; Gal. 5: 22-23.
(Romana 8:6) « Fa ny fihevitry ny nofo dia
fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana »
(Galatiana 5:22) « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia
fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa,
fahamarinana, » (Galatiana 5:23) « fahalemem-panahy, fahononam-po;
tsy misy lalàna manohitra izany. »
Hanome hery hanao asa tsara --- ny fankatoavana ara-bakiteny ve ny “Fanahy Masina ao amintsika? Fil 2:13; He 13: 20-21.
(Filipiana 2:13) « Fa Andriamanitra no miasa ao
anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »
(Hebreo 13:20) « Ary Andriamanitry ny fiadanana,
Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny
maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry ondry lehibe
amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty] » (Hebreo 13:21)
« Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony
ka hiasa ao anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy
Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa
tsara] [**Na: (anatintsika)] »
Fanamarihana: Andriamanitra dia hiasa ao anatintsika amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina. Saingy zava-dehibe ny mahatakatra fa ny Fanahy Masina tsy hanery anao hanao zavatra manohitra ny sitraponao, tahaka ny fanahin'ny demonia izay "mahazo" ny olona sasany. Tsy hanery anao hiaina amim-pahamarinana ny Fanahin'Andriamanitra. Fa hanatanjaka anao ara-panahy ny fanahy Masina, hanao ny sitrapon'Andriamanitra, satria mitarika anao hahatakatra ny lalan'Andriamanitra Izy.
(Efesiana 2:13) « fa ankehitriny kosa, ao amin'i
Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i
Kristy. » (Efesiana 2:14) « Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray
antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, » (Efesiana 2:18)
« Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any
amin'ny Ray. »
(Hebreo 4:14) « [Fampitahana an'i Kristy sy ny
mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny
lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa
nekentsika. » (Hebreo 4:15) « Fa isika tsy manana mpisoronabe izay
tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny
zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. » (Hebreo 4:16)
« Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny
fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho
famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »
Inona no tombontsoa manokana amin'ity fifandraisana akaiky ity? Heb. 4:16; Mat 2l: 22.
(Hebreo 4:16) « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] »
(Matio 21:22) « Ary na inona na inona no
angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo. »
Maninona no azontsika raisina ny angatahintsika? 1 Jaona 3: 22-24; 5: 14.
(1 Jaona 3:22) « Ary na inona na inona no
angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay
ankasitrahana eo imasony isika. » (1 Jaona 3:23) « Ary izao no
didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny
hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. » (1 Jaona 3:24)
« Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao
aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy
Izay nomeny antsika. »
(1 Jaona 5:14) « Ary izao no fahasahiana ananantsika
eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino
antsika Izy; »
Fanamarihana: Ny Kristiana iray dia mety hanatona an’Andriamanitra amin-kerim-po amin'ny vavaka, hangataka fanampiana amin' ny endriny rehetra, ary afaka manantena ny handray valiny araka ny sitrapon'Andriamanitra, raha miezaka hampifaly an'Andriamanitra amin'ny fomba fitantanany ny fiainany izy.
5.-Moa ve nomen'Andriamanitra ny mpanompony koa ny hery ara-panahy ilaina amin'ny fitantanana ny asan'ny Fiangonany? Asan’ny Apostoly 1: 8; Mat 28: 18-20.
(Asan'ny Apostoly 1:8) « Fa hahazo hery ianareo
amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. »
(Matio 28:18) « Ary Jesosy nanatona dia niteny
taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety
an-tany; » (Matio 28:19) « koa mandehana ianareo, dia ataovy
mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny
Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:20) « sady mampian atra azy
hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo
mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »
Fanamarihana: Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia manome hery hanatanterahana ny asa lehibe nampanaovin'i Kristy hitory ny Filazantsarany hatramin'ny faran’izao tontolo izao. Io hery io dia mavitrika sy miasa amin-kery eo amin'ny fikambanan'ny olona izay nantsoan'Andriamanitra hanao izany asa izany ankehitriny!