MANDROSO HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
NY HERIN’NY FANAHY MASINA
NY FANAHY MASINA SY NY FIANGONAN'ANDRIAMANITRA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Nomery 11:16-29
Jaona 21:15-19;
1 Korintiana 12:1-14
Toriteny
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Nomery 11 :16-29
[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy
Kibrota-hatava]
(Nomery 11:16) « Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy:
Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho ety amiko, dia izay
fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao
ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy. » (Nomery 11:17) « Dia hidina
Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny
Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity
firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. »
(Nomery 11:18) « Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo;
fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy
hanome hena hohaninay! Fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena
ianareo, ka hohaninareo. » (Nomery 11:19) « Tsy indray andro no
hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro
aza, » (Nomery 11:20) « fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia
mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo
Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe:
Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay? » (Nomery 11:21) « Dia
hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia
lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray
volana. » (Nomery 11:22) « Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina
ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no
hangonina ho azy hahavoky azy? » (Nomery 11:23) « Dia hoy Jehovah
tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na
ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. » (Nomery 11:24) « Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah
tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy
ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. » (Nomery 11:25) « Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka
niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao
amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy,
dia naminany izy, nefa tsy nanohy intsony. » (Nomery 11:26) « Fa nisy roa lahy nijanona
teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny
anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa
lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny
trano-lay; dia naminany teo an-toby
izy roa lahy. » (Nomery 11:27) « Ary nisy zatovo
nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany
etsy an-toby. » (Nomery 11:28) « Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay
nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko,
rarao izy roa lahy. » (Nomery 11:29) « Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va
no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka
halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny! »
ð Nomery 11:16-18. Jehovah naniraka an’i Mosesy haka fitopolo lahy lolohan’ny Isiraely, ka hitondra azy ireo eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny tranolay fihaonana. Ary Jehovah naka tamin'ny Fanahy Izay ao amin’i Mosesy ka nametraka izany tao amin'ireo fitopolo lahy loholon’ny Isiraely ireo, mba hiara-mitondra ny firenena aminy ireo, fa tsy i Mosesy irery intsony no hitondra azy.
2. Fampitandremana antsika Kristiana koa izany, mba tsy hikiry foana amin’ny fombantsika sy ny faniriantsika, tsy manaiky am-panetren-tena ny fomban’Andriamanitra na tsy mba mankasitraka ny zavatra omeny.
4. Fihestika toy izany nasehon’i Mosesy izany koa no nataon’i Jesosy raha nilaza taminy i Jaona fa nandrara ilay lehilahy namoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy izy, satria tsy mpianany izany lehilahy izany: (Lioka 9:50) « Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo. »
5. Mampianatra antsika hivavaka Jesosy mba hanendren’ny Ray sy handefasany mpanompo hafa hanampy antsika amin’ny asa izay nanendreny antsika rahateo, satria be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Hoy Izy ao amin’ny Lioka 10:1-2: (10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (10:2) « Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. »
6. Ny asa itarihan’ny Fanahy Masina ny Fiangonana dia hanome VOKATRA HO AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY, araka izay amporisihan’i Jesosy Kristy sy ampifaliana antsika hoe: Jaona 4:35-38: (4:35) « Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. » (4:36) « Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. » (4:37) « Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, » (4:38) « Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany. »
Jaona 21: 15-19
[Ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia, taorian’ny nitsanganny tamin’ny maty]
(Jaona 21:15)
« Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona,
zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy
izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano
ary ny ondrikeliko. » (Jaona
21:16) « Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona,
moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa
tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. » (Jaona 21:17) « Hoy Izy
fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo
Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy
taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho.
Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. » (Jaona 21:18) « Lazaiko aminao marina dia marina tokoa:
Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa
antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao
ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. » (Jaona 21:19) « Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny
fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia
hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. »
ð
Jaona 21:15 Moa Ny Fitiavanao Ahy Mihoatra Noho Ny
Fitiavan’ireto. Ny fanontaniana mavesa-danja indrindra sendra an’i
Petera dia ny amin’ny fanany fitiavana feno fanoloran-tena ho an’ny Tompony na
tsia.
1. Teny Grika anakiroa
ilazana “fitiavana” no ampiasaina eto. Ny voalohany, agape, midika hoe fitiavana misy fahendrena sy tanjona, mifototra
indrindra amin’ny saina sy ny finiavana. Ny faharoa kosa filia, dia ahitana firaiketam-po mafana sady voajanahary ao amin’ny
sehatry ny fihetseham-po, izany hoe fitiavana avy amin’ny tena manokana sady
misy fahatsapana. Ireo teny roa ireo
no anehoan’i Jesosy fa tsy azon’i Petera atao ny ho tia amin’ny fitiavana
fotsiny, fa tsy maintsy avy amin’ny fo koa, dia fitiavana mitsiry avy amin’ny
fikasana sy ny firaiketam-po manokana, indrindra fanaovana ny asa izay
nanirahan’ny Ray Azy tety an-tany, dia fampianarana ireo izay antsoiny momba ny
didin’Andriamanitra sy ny fibebahana ary fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra.
2. Io fanontanian’i
Jesosy tamin’i Petera io no fanontaniana goavana ho an’ny mpino rehetra. Isika
rehetra mihitsy no tsy maintsy manana fitiavana manokana avy amin’ny fo ombam-panoloran-tena
ho an’i Jesosy sy ny Ray izay naniraka Azy.
ð Jaona 21:16 Andraso
Ary Ny Ondriko. Mifono zavatra
telo ny filazan’i Jesosy ny mpino ho ondrikely
(Jaona 21:15) sy ondry (Jaona 21:16).
1.
Mila ny fikarakaran’ny mpiandry isika.
2.
Mila mivelona
mandrakariva amin’ny Tenin’Andriamanitra isika.
3.
Noho ny ondry mirona hania
ka mora tandindomin-doza dia mila fitarihana matetitetika sy fiarovana ary
fanitsiana isika.
ð
Jaona 21:17 Moa Tia Ahy Va Hianao … Fahano Ary Ny Ondriko. Ny fitiavana no hitan’i Jesosy fa fepetra
fototra ahazoana misahana asa Kristiana. Ary ny fitiavana an’i Kristy dia midika
fanohizana ny asa izay nataony sy fitandremana ny didiny sy an’ny Ray izay
naniraka Azy.
1. Ny olona nomen’Andriamanitra ny
Fanahy Masina dia mamahana ny ondriny, izany hoe ny Fiangonany, amin’ny
tenin’Andriamanitra. Izany indrindra no ilazan’i Jesosy ao
amin’ny Matio 28: 19-20, manao hoe: (28:19) « koa mandehana ianareo,
dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao
batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »
(28:20) « sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary,
indro, Izaho momba anareo mandrakariva
ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. »
2. Ny tanjon’ny fepetra hafa rehetra dia fanatanterahana an’izany ihany; ohatra 1
Tim 3:1-13 ahitana izao teny izao: (1 Timoty 1:5) « Fa ny anton'ny
didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny
finoana tsy mihatsaravelatsihy, » (1
Timoty 1:9) « ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny
lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra
an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona
vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, » (1 Timoty 1:10) « ny mpijangajanga,
ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na
inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema*, [* Gr.
salama] »
3. Ohatra hafa: 1 Jaona 3:22-24. (1 Jaona 3:22) « Ary na inona na
inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy
manao izay ankasitrahana eo imasony isika. » (1 Jaona 3:23) « Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny
anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny
antsika. » (1 Jaona 3:24)
« Ary izay mitandrina ny didiny no
mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika
Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika. »
ð
Jaona 21:18 Haninjitra Ny Tananao. Faminaniana ataon’i
Jesosy manondro ny karazam-pahafatesana hanomezan’i Petera voninahitra
an’Andriamanitra ireo teny ireo. raha vakina tsotra dia maninitra ny tanany
hampiakanjoana azy. Saingy ny rakitry ny lovantsofina mampiseho fa tamin’ny
andron’i Néron no nohomboana tamin’ny hazofijlina tao Roma i Petera, tokony ho
tamin’ny vanim-potoana namonoana an’i Paoly ho martiora indrindra (67/68 AD). Ary
araka ny fangatahan’i Petera manokana dia hazofijaliana mitsingoloka no
nanomboana azy noho izy nihevitra fa tsy mendrika hampitovina amin’ny Tompony.
1 Kor. 12:1-14
[Ny amin'ny
fanomezam-pahasoavana samy hafa]
(1 Korintiana 12:1)
« Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho
fantatrareo. » (1 Korintiana 12:2) « Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo,
dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo. » (1 Korintiana 12:3) « Koa
mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny
Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay
manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [* Gr.
anatema] » (1 Korintiana 12:4)
« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia
iray ihany. » (1 Korintiana 12:5)
« Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray
ihany. » (1 Korintiana 12:6)
« Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany,
Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. » (1 Korintiana 12:7) « Ary izy
rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na:
fisehoan'] »(1 Korintiana 12:8)
« Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny
fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, » (1 Korintiana 12:9) « ary ny anankiray finoana, amin'izany
Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana,
amin'izany Fanahy iray izany ihany, » (1 Korintiana 12:10) « ary ny anankiray ny manao fahagagana*,
ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy
hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny
anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] » (1 Korintiana 12:11) « Ireo rehetra
ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny
sitrapony. » (1 Korintiana 12:12)
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo
rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka
izany koa Kristy. » (1 Korintiana
12:13) « Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho
tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra
dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr.
Grika] » (1 Korintiana 12:14)
« Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. »
ð 1 Korintiana 12:1 Ny Amin'ny Zava-Panahy. Ao
amin’ny toko 12-14 no ireshan’i Paoly mikasika ny “fanomezam-pahasoavana” na ny “fanehoana”
ny Fanahy Masina ao amin’ny tenan’i Kristy ho fanatsarana mitovy ny
rantsam-batana rehetra tsirairay avy. Ny fanomezam-pahsoavana sy ny fanehoana
ny Fanahy dia ampahany tsy afa-misaraka tao anatin’ny fiarahamonin’ny
fiangonana voalohany (1 Kor 14:26)
sy ny fanaovana ny asan’Andriamanitra. Ny fikasan’Andriamanitra dia ny
haharetan’ny fiasan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo mandram-pahatongan’ny
fiverenan’i Kristy. Ireto manaraka ireto no tanjona nokendreny
tamin’ny alalan’ny zava-panahy:
1. Ho fanehoana ny famindrampo sy ny hery ary ny fitiavana avy amin’ny Fanahy
Masina eo anivon’ireo vahoakany, mandritra ny fivoriana fanaon’izy ireo
ampahibemaso, na any an-tokantranony, na ao amin’ny fianakaviana (1 Korintiana 12:4-7).
2. Ho fampahombiazana ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny
fanamarinana amin’ny fomba mahagaga ny hafatra izay ampitaina (Marka 16:15-19: “Mandehana amin’izao tontolo izao hianareo ka mitoria ny filazantsara
amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no ho hovonjena, fa izay
tsy mety mino no hohelohina. Ary izao no famantarana hanaraka izay mino:
hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy
izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy
hampaninoa azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”
3. Ho fanomezanana fahafaham-po ny olona amin’izay zavatra ilainy, ka hampahery
sy hahamafy orina ny fiangonana (1 Korintiana 12:7, 14-13) sy ny mpino tsirairay avy (14:4), izany hoe hampivoarana ny mpino
amin’ny “fitiavana, avy amin’ny fo madio sy ny
fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” (1 Tim 1:5, 1 Kor 13).
4. Hirotsahana amin’ny ady ra-panahy hanoherana an’i Satana sy ny herin’ny
faharatsiana rehetra (Rom 12:3-8).
ð 1 Korintiana 12:1-6
Zava-Panahy. Ny teny izay ampiasain’ny Baiboly mikasika
ny zava-panahy ihany dia efa manamarika ny toetrany rahateo.
1. Ny zava-panahy, avy amin’ny teny hoe pneuma
(midika hoe “Fanahy”) dia milaza fanehoana zava-mahagaga izay
fanomezam-pahsoavana avy amin’ny Fanahy Masina, miasa amin’ny alalan’ny mpino
ho fampitana fahasoavana ho an’ny daholobe (1 Korintiana 12: 1, 7; 14:1).
2. Ny “Fanomezam-pahasovana” na “Fanomezana noho ny famindrampo” indray dia manambara
fa ny zava-panahy dia fiombonan’ny hetaheta anaty sy ny hery hanatanteraka
asan’Andriamanitra izay raisina avy amin’ny Fanahy. Izany zava-panahy izany dia
mampahatanjaka ara-panahy ny tenan’i Kristy sy ireo izay mitady fanampiana
ara-panahy (1 Korintiana 12:4).
3. Ny “Fanompoana” (diakona) na “Asan’Andriamanitra”
indray dia mampisongadina fa maro ireo fomba ahazoana manao fanompoana, ary ny
sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia ny fandraisana ny fahaizana sy
ny hery ho enti-manampy ny hafa (1 Korintiana 12:4-5). Ambaran’i Paoly tsara fa ny
lafiny fanompoana amin’ny fanomezam-pahasoavana dia ho fanehoana indrindra ny
“Asa fanompoana” izay nataon’i Jesosy Tompo. Noho izany, ny fiasan’ny
fanomezam-pahasoavana dia amin’ny alalan’ny fanatrehan’i Kristy sy ny fomba
iasany eo anivontsika.
4. Ny “Asa” na “Vokatra” dia midika fa ny zava-panahy dia fiasan’ny
herin’Andriamanitra Ray mivantana, ka miteraka
vokatra avy hatrany izany (1 Korintiana 12:6, 10).
5. Ny “Fampisehoana ny Fanahy” dia
fampisongadinana fa ny zava-panahy dia fampisehoana mivantana ny fiasa sy ny
fanatrehan’ny Fanahy Masina eo anivon’ny fiangonana (1 Korintiana 12:7-11).
ð 1 Korintiana 12:13 Jesosy Tompo. Ny
anombohan’i Paoly ny adihevitra mikasika ny zava-panahy dia avy amin’ny fahamarinana
fototra fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny asan’ny Fanahy Masina dia ho
fanehoana an’i Jesosy amin’ny maha-Tompon’ny fiangonana Azy. Ny fotokevitra
fara-tampony iorenan’ny asan’ny Fanahy dia amin’ny alalan’ny fanambarana
mitombo mandrakariva ny amin’ny tenan’i Jesosy Kristy Tompo, ny fanatrehany, ny
heriny, ny fitiavany, ary ny fahamarinany. Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny
fiasan’ny zava-panahy no anaovan’i Kristy Asa amin’ny Fanahy, amin’ny alalan’ny
olony ho an’ny olony (1 Korintiana 12:12-27) and 27: “Ary hianareo no
tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy.”
ð 1 Korintiana 12:13 Fa
Fanahy Iray Ihany No Nanaovana Batisa Antsika Rehetra. Ny batisa amin’ny “Fanahy
iray ihany” dia tsy teny enti-manambara na ny batisa amin’ny rano irery
ihany, na koa ny batisa amin’ny Fanahy Masina ataon’i Jesosy amin’ny mpino, toy
izay nitranga tamin’ny andro Pentekosta, fa fanambarana kosa ny fanaovan’ny
Fanahy batisa (fanitrihana na fampidirana)
ny mpino ao amin’ny Fianakavian’Andriamanitra
(Ray sy
Zanaka sy Fanahy Masina). Izany batisa
na fanitrihana izany dia atao amin’ny anaran’i Jesosy (= amin’ny fahefan’i Jesosy), mba hampiombona
azy rehetra ho Fianakaviana ara-panahy iray,
na vatana iray, ary hahatonga azy rehetra ho
fanahy iray ihany miaraka amin’ny mpino
hafa rehetra. Tena fanovana ara-panahy
izany, izany hoe fanorontoronan’ny Fanahy izay
mitranga amin’ny fotoana fiovam-po ka mametraka ny mpino “ao amin’i Kristy”.
FEHINY
Ny olona voafidin’i Jehovah
hitantana sy hampianatra ny fiangonany dia omeny ny Fanahiny Masina, toy izay nataony
tamin’i Mosesy sy ny loholona fitopololahy hiara-mitondra aminy ny
Zanak’Isiraely tany an-efitra mankany amin’ny tany voafidy ho lovan’izy ireo.
Amintsika Kristiana kosa, ny
Fanahy Masina nomena antsika dia mitarika antsika hitondra ny fiangonana ho
amin’ny fiainana mandrakizay, handova ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny
fiverenan’i Jesosy Kristy. Amena! Halelia!