MANDROSO HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
NY HERIN’NY FANAHY MASINA:
LAKILEN'NY TSi-FAHAFATESANA FENO VONINAHITRA
TENIN’ANDIAMANITRA
Isaia 42:1-10
Matio 12:38-50
Hebreo 1:1-14
Isaia 42:1-10
[Ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena
rehetra]
(Isaia 42:1) « Indro
ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay
voafidiko sady sitraky ny foko, Napetrako
tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika
ho an'ny jentilisa Izy. » (Isaia 42:2) « Tsy hiantsoantso Izy,
na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana. »
(Isaia 42:3) « Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny
ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. » (Isaia
42:4) « Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny
tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny. » (Isaia 42:5) « Izao
no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy
nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy, sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy: » (Isaia
42:6) « Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy
nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho
ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho
fanazavana ny jentilisa, » (Isaia 42:7) « Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka
ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay
mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana. » (Isaia
42:8) « Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra. » (Isaia
42:9) « Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho;
Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako
aminareo. » (Isaia 42:10) « Hianareo izay midina any amin'ny
ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy,
samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. »
Matio 12:38-50
[Ny nitadiavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo
famantarana, sy ny navalin’i Jesosy azy]
(Matio 12:38)
« Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna
sy ny Fariseo
namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana
avy aminao izahay. » (Matio 12:39) « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia
fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; »
(Matio 12:40) « fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy
hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy
hateloan'alina ao anatin'ny tany. » (Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana
amin'ity taranaka ity amin'ny andro
fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka
izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana
amin'ity taranaka ity amin'ny andro
fitsarana ka hanameloka azy; fa avy
tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa,
indro, misy lehibe noho Solomona eto. »
(Matio 12:43) « Raha mivoaka
amin'ny olona ny fanahy maloto, dia
mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. »
(Matio 12:44) « Dia hoy izy: Hody
any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany
fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. » (Matio 12:45) « Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa
miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity
taranaka ratsy fanahy ity. » (Matio
12:46) « Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo,
ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny
aminy. » (Matio 12:47)
« Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny
rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao. » (Matio 12:48) « Fa namaly Izy
ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no
rahalahiko? » (Matio 12:49)
« Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo
ny reniko sy ny rahalahiko; » (Matio
12:50) « Fa na iza na iza no hanao ny
sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. »
Hebreo
1:1-14
[Fampitahana an'i
Kristy sy ny anjely]
(Hebreo 1:1) « Rehefa nampitenenin'Andriamanitra
tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy
hafa; » (Hebreo 1:2) « dia
amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany
tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova
ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao
tontolo izao, » (Hebreo 1:3)
« Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny
sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona
ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe
any amin'ny avo » (Hebreo 1:4)
« ka natao tsara noho ny anjely,
araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. » (Hebreo 1:5) « Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"?
(Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) » (Hebreo 1:6) « Ary raha mitondra ny
Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao
indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny
anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal.
97.7). » (Hebreo 1:7)
« Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra,
Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). » (Hebreo 1:8) « Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia
mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana
no tehim-panjakanao; » (Hebreo
1:9) « Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao
Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). » (Hebreo 1:10) « Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny
tananao ny lanitra; » (Hebreo
1:11) « Ireo dia ho levona, fa Hianao
no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, » (Hebreo 1:12) « Ary toy ny lamba no
hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny
taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). » (Hebreo 1:13) « Fa anjely iza no
mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako
ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) » (Hebreo 1:14) « Tsy fanahy
manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova
famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana] »
TORITENY
NY LAKILEN'NY TSi-FAHAFATESANA FENO VONINAHITRA
Isaia 42:1-10
[Ny amin'ny
Mpanompon'i Jehovah, mpitondra famonjena ho an'ny Isiraely sy ny firenena
rehetra]
Isaia 42:1-7 « INDRO NY
MPANOMPOKO, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko;
Voatsiahy ampahany ao amin’ny Test V ireo andininy
ireo (Matio 12:18-21). Mazava fa ny mpanompo resahin’ny mpaminay eto dia Jesosy
Kristy, Ilay Mesia.
Isaia 42:1 NAPETRAKO TAO AMINY NY
FANAHIKO
Homena hosotra avy
amin’ny Fanahy Masina Jesosy mba
hahatanterahany ny asam-panavotana sahaniny. Nila ilay Fanahy Masina
nampidinina taminy koa ireo mpanaraka Azy mba hanohizany izay efa natombok’i
Jesosy. (Ampitahao Isa 61:1 sy Asa 1:8 sy Asa 2:4).
Isaia 61:1 « [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody
ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa
nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy
hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka
ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy] »
(Asan'ny Apostoly 1:8) « Fa
hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho
vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny
faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly
2:4) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny
tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina
azy. »
Ny Fanahy irery ihany no manome hery ny mpino hanao ny
asa araka izany fahendrena sy fanambarana ary hery ilaina.
Isaia 42:1 HAMOAKA FITSIPIKA
HO AN'NY JENTILISA* IZY [* na FIERENENA]
Ny herin’ny Fanahy Masina no hamoahan’ny Mesia fenitra
momba ny rariny masina sy fitsipika harahina momba ny fahamarinan’Andriamanitra
ho an’ny firenena rehetra; efa asa misiona rahateo no nataony. Io anjara asa io
mihitsy koa no andraikitr’izay mitondra ny anaran’i Kristy amin’izao fotoana
izao. Ataony batisa ao amin’ny Fnahy Masina ny mpanaraka Azy mba hahafahan’ireo
manatanteraka ny iraka ampanaoviny.
Isaia 42:6 HO FANAZAVANA NY
JENTILISA
Anisan’ny asa sahanin’ny Mesia koa ny hitondra ny
fanekem-pamonjena na ho an’ny jentilisa izany na ho an’nyJiosy. Ny fahafatesany
no hampiorenana ny fanekena vaovao (Jeremia 31:31-34; Hebreo 8:6-13; 9:15.)
(Jeremia 31:31)
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny
taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jeremia 31:32) « Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny
razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny
tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*, hoy
Jehovah. [Na: tompony] » (Jeremia
31:33) « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa
afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady
hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (tsiahvina ao amin’ny Hebreo 8:6-13).
(Hebreo 9:15) « Ary noho
izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra
fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany,
mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. »
Isaia 42:7 HAMPAHIRATRA NY
MASON'NY JAMBA
Ny fahafatesany sy ny herin’ny Fanahy Masina no ho
entin’ny Mesia manafaka ny mpino rehetra amin’ny haizim-pahotana sy ny
fahamelohana (Roaman 5:12), ary mamaha azy ho afaka amin’ny herin’i
Satana (apitahao 1Jaona 3:8).
(Romana 5:12)
« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho
amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny
olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; »
(1 Jaona 3:8)
« Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny
voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny
devoly. »
Isaia 42:8-10 IZAHO NO JEHOVAH … ny voninahitro tsy
homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra …
zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia
ambarako aminareo. … Hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, SAMIA MIHIRA FIHIRAM-BAOVAO HO AN'I JEHOVAH,
dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
Ambaran’ny mpaminany mialoha eto fa avy any am-paran’ny
tany ireo jentilisa sy ny Isiraely mahatoky no hihira fiderana ny Tompony, noho
ny fanavotana amam-pandresena be voninahitra niainan’izy ireo tamin’ny alalany.
Matio 12:38-50
[Ny nitadiavan’ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo famantarana, sy navalin’i Jesosy azy]
Matio 12:40 « fa tahaka ny nitoeran'i
Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy
izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny
tany.
Raha nitady famantarana avy amin’i Jesosy ny
mpanora-dalàna sasany sy ny farisao, dia tamin’ny TENY MAHERY SY FENO FAHEFANA
no namaliany azy ireo hoe : taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga,
fatra-pitady famantarana, tsy mino ny mesia; tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona
mpaminany; » « tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy
hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny
tany (72 ora ao am-pasana).
Hamafisin’i Jesosy fa izay tsy mino izany famantarana
mazava omen’ny faminaniana izany, fa mino ny lainga, dia hitondran’i Satana
fitaka lehibe kokoa amin’ny fitsanganana faharoa, ka haringana any amin’ny
fahaverezana mandrakizay amin’ny fitsarana farany
Hebreo 1:1-14
[Fampitahana an’i
Kristy sy ny anjely]
Hebreo 1:1-2 NAMPITENENIN'ANDRIAMANITRA
TAMINTSIKA NY ZANANY
Tamin’ny andro samy hafa sy ny fotoana samy hafa (and 1) no
tena niavian’ny fanambaran’Andriamanitra sy ny teny faminaniana avy any Aminy
tany aloha. Ny fitambaran’izany rehetra izany no mandrafitra ny Test T. Nefa
tsy mahatratra ny fahafenoan’izay tokony holazain’Andriamanitra izany. Saingy
amin’ny alalan’i Kristy Jesosy kosa ankehitriny no itenenan’Andriamanitra sy
anaovany fanambarana ho antsika amin’ny fahafenoana sy fahatanterahana; Feno,
tsy ampiana intsony, tanteraka, ary ambony indrindra. Ireo teny rehetra
nolazain’Andriamanitra tany aloha, satria ambony indrindra mihoatra izao
rehetra izao i Kristy Jesosy.
Tsy misy manana fahefana mitovy amin’ilay
Zanak’Andriamanitra, na ireo mpaminany (and 1), na ireo anjely (and 4), na i
Mosesy (3:2-6). Izy ihany no loharano ipoiran’ny famonjena mandrakizay sady ilay
hany mpanalalana ny zanak’olombelona amin’Andriamanitra. Hatramin’ny mpanoratra
koa ny fahambonian’i Kristy ka notanisaina avokoa ireo fanambarana fito lehibe
mikasika an’i Jesosy amin’ny maha zanak’Andriamanitra Azy (and 2-3).
Hebreo 1:3 NIPETRAKA TEO
AMIN'NY TANANA ANKAVANAN'NY LEHIBE
Nadray ilay toeram-pahefany eo amin’ny tanana
an-kavanan’Andriamanitra i Kristy Jesosy, rehefa nanome famelan-keloka ny
amin’ny otantsika tamin’ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana. Tafiditra ao
amin’ny asam-panavotana nataon’i Kristy any an-danitra ilay asa fanompoany
amin’ny maha-mpanalalana avy any ambony Azy (8:6; 13:15; 1Jaona 2:1-2), amin’ny
maha-mpisoronabe Azy (2:17-18); 4:14-16; 8:1-3), amin’ny maha-manao fifonana
Azy (7:25), ary amin’ny maha-mpanao batisan’ny Fanahy Masina Azy (Asa 2:33).
Hebreo 1:4 NATAO TSARA NOHO
NY ANJELY
Toy ny maha ambony an’i Jesosy mihoatra ireo mpaminany,
amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, no maha-ambony Azy mihoatra ny anjely
satria Zanaka koa Izy (and 4-14). Nitana anjara toerana lehibe tokoa ny anjely
tao amin’ny fanomezana ny faneken’ny Test T (Deotoronima 33:2; Asa 7:53; Gal
3:19). Mametraka tsara ny fahambonian’i Kristy mihoatar noho ny anjely ny
mpanoratra.
Hebreo 1:5) Izaho niteraka Anao androany
(Sal.2.7-8). (Salamo 2:7) « "Hilaza zava-boatendry Aho;
Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. » (Salamo
2:8) « Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny
tany ho fanananao. »
(Jaona 1:14)
« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny
voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray,
sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day] »
Hebreo 1:8 FA NY ZANAKA KOSA
DIA NILAZANY HOE: "NY SEZA FIANDRIANANAO, ANDRIAMANITRA Ô
Ilay Zanak’Andriamanitra tsy mitovy amin’ny anjelin’ny
lanitra no lazaina eto, satria Mpanjaka mandrakizay (Salamo 45:6-7).
(Salamo 45:6) « Ny
seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana
ny tehim-panjakanao. » (Salamo 45:7)
« Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra,
dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny
namanao. »
Hebreo 1:9 TIANAO NY
FAHAMARINANA, FA HALANAO NY HELOKA
Tsy ampy ho an’ny zanak’Andriamanitra ny mitia ny fahamarinana, fa mila mankahala ny ratsy koa izy ireo.
Hitantsika mazava izany ao amin’ny fanoloran-tenan’i
Kristy ho an’ny fahamarinana (Isaia 11:5) sy ny fankahalana faharatsiana teo amin’ny fiainany sy ny asa fanompoany ary ny fahafatesany (Jaona 3:19; 11:33).
(1)
Fototry ny nanosoran’Andriamanitra ny Zanany Lahy ny toetra mahatoky nasehon’i Kristy tamin’ny
Rainy fony Izy tety an-tany, araka ny nasehony tamin’ny fitiavany ny fahamarinana sy ny fakahalany
ny faharatsiana. Toy izany koa, ho avy koa
ny fanosoranna antsika rehefa manahaka ny toetran’ny Tompontsika isika mikasika
ny resaka fahamarinana sy faharatsiana (Salamo 45:7).
(2)
Fomba roa no mety hampitombo ny
fitiavantsika ny fahamarinana sy ny fankahalana ny ratsy:
(a)
amin’ny
fampitomboana amin’ny fitiavana sy indrafo ho
an’ireo olona efa simban’ny fahotana ny fiainany, sy
(b)
ny fanakaikezana kokoa sy ny fitokanana miaraka
amin’i Jesosy Tompo izay tia “ny
fahamarinana” ary mankahala “ny heloka”
(Salamo 94:16; 97:10; Ohabolana 8:13; Amosa 5:15; Romana 12:9; 1Jaona 2:15;
Apokalypsy 2:6).
Hebreo 1:13 ANJELY iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) » (Hebreo 1:14) « Tsy fanahy manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana] »